x10hosting.com

Efa nampiasa ity mpampiatrano iray ity efa hatry ny ela aho ary tsara izy. Tsy andoavam-bola nefa betsaka ny zavatra atolony anao. Taty aoriana anefa lazain'ny Avast fa misy script malveillant fona isaky ny miditra ao amin'ny CPanel fikirakirana ny dossier sy fichier. Afaka manao ny asa rehetra ihany anefa na blocken'ny avast ary ny script sasany ao amin'ilay tranonkala saingy mahalasa ny say ihany indraindray. Misy PHP ao dia afaka manao Base de données MySQL roa koa ianao. Tsy maintsy miditra ao amin'ny kaontiny indray mandeha isambolana ny compte gratuit raha tsy izany suspendu. Fa aveo ianao omeny lien hanalana izany ihany. Tsy misy dokambarotra izay site amboarinao fa afaka manisy ianao raha toa ka mba te hahazo vola kely. Raha gratuit dia nysitenao.x10.mx na nysitenao.x10.bz sns ny anaran'ny site. 500Mo ny disque dure omen'ny zareo fa afaka manao fangatahana raha mampiasa mihoatra izay.

Adiresy : https://x10hosting.com/

Ireo mahaliana ny olona