Omeo site
Pejy natokana ho an'izay mitady site ka mila fanampiana.
Tongasoa
Miarahaba anao tonga eto amin'ny tranonkalan'ny mpitady site rehetra. Marihina fa site aradalàna sy voafantina sy tsy andoavam-bola avokoa no omena ato. Amin'ny ankavanana midina iny ny karazany mety hahaliana anao. Ary any amin'ny faran'ny ambany any ny natokana ho an'ny finday. CONTROL Click ampiasaina rehefa mkliky adiresy. Mirary fikarohana mahafinaritra!
Le Logiciel Libre
Tsara mba hofantatra itony tranonkala itony fa toa ohatry ny tsy dia misy miraharaha mantsy fa hoe ratsy hono ny logiciel libre. Diso be anefa izany fa misy tsara lavitra noho ny logiciel andoavam-bola ary zareo ireny. Ny ankabeazan'ny logiciel libre mantsy dia tohanana communauté ka voaaramaso tsara sady mihatsara hatrany. Raha efa mpampiasa Linux ianao dia efa mahalala karazany maro. Misy natao ho an'ny Windows maro ato anatin'ity tranonkala ity raha mahaliana anao.
Adiresy : http://lelogiciellibre.net/telecharger/telechargement.php
Adiresy : http://lelogiciellibre.net/telecharger/telechargement.php
Sokajy :
Fangalana logiciel
TousLesDrivers.com
Raha hitady pilote aty amin'ny internet ianao dia ny teniko voalohany hoe : fantaro tsara aloha ny ordianao sy ilay zavatra tadiavinao. Inona ny markany, ohatry ny ahoana daholo ny configurations_any (Processeur, ports sy ny sisa...). Raha hainao tsara ny mombamomba ny solosainanao rehetra dia vetivety dia hitanao ny zavatra tadiavinao. Ity tranonkala ity dia mitahiry manokana ireo karazana pilotes mety hety amin'ny solosaina tsirairay. Anjaranao ny mahay misafidy tsara izay alaina.
Adiresy : http://www.touslesdrivers.com/
Adiresy : http://www.touslesdrivers.com/
Sokajy :
Pilotes
vanBasco
Ity no isan'ny lecteur_na karaoke Windows nipoitra voalohany. Tsotra be izy fa tsara, misy option be dia be. Tsara hananana na dia efa misy tsara lavitra noho izy ary amin'izao. Mety be amin'ny ordi somary taolo izy fa tsy mampiraikitra mihitsy!
Adiresy : http://www.vanbasco.com/download.html
Adiresy : http://www.vanbasco.com/download.html
Sokajy :
Fanaovana karaoke
DilanDau
Isan'ny manana tahirin-javatra be indrindra aty amin'ny tranonkala ity iray ity. Manana karaoke tsy tambo isaina koa zareo mazava ho azy. Instrumental daholo ny ao raha mankafy ianao. Mety be raha ho an'ny olona tia mihira ka mitady mozika arahana. MP3 ny azy fa tsy midi sy kar ohatry ny mazatra!
Adiresy : http://fr.dilandau.eu/telecharger-musiques-mp3/karaoke%20instrumental/1.html
Adiresy : http://fr.dilandau.eu/telecharger-musiques-mp3/karaoke%20instrumental/1.html
Sokajy :
Fangalana karaoke
Chez bionique - karaoke
Miraikitra mihitsy ny navigateur_nao rehefa manokatra ity tranonkala ity. Aza taitaitra fa normal be izany. Karaoke tsy hifankahitana ny ao! Be dia be! Raha sendra tsy mahita mipoitra ianao dia avezivezeo eny amin'ny sisiny havia eny ny souris fa lasa manga antitra ny soratra izay lalovany. Klikeo fotsiny izay mahafinaritra anao dia handeha ny téléchargement.
Adiresy : http://cattss.dyndns.info/chezbionique-karaoke/
Adiresy : http://cattss.dyndns.info/chezbionique-karaoke/
Sokajy :
Fangalana karaoke
gasykamanja.com
Raha tsara ny connexion_nao dia afaka mijery ny karaoke_an'ny GasyKaManja tsara ianao fa videos Youtube ny an-dry zareo mantsy. Marihina fa afaka téléchargéna ny vidéo youtube raha manana ny logiciel ilaina amin'izany ianao. Karaoke malagasy daholo ny ao!
Adiresy : http://www.gasykamanja.com/karaoke/
Adiresy : http://www.gasykamanja.com/karaoke/
Sokajy :
Fangalana karaoke
Inscription à :
Commentaires (Atom)