Linux Mint

Raha matanjatanjaka tsara ny solosainanao dia ity Linux ity safidiana. Izy no nahazo naoty be indrindra tao amin'ny Distrowatch (nazavazavaiko any ambanimbany any). Misy karazany 5 izy ity : XFCE (safidiko), Mate, Cinnamon(tsara be fa mila machine matanjaka be), KDE(tsara lavitra noho ny Windows 7 fa mavesatra be), Mint Debian(tsara loatra). Afaka alefa amin'ny CD fotsiny izy fa tsy mila installéna. Minoa ianao ahy fa tsara lavitra noho ny Windows XP izy  ity sady tsy mila mi_installeantivirus izany intsony ianao fa ny Linux tsy mbola manana virus. Toa hoe nisy hono taloha fa efa ao tsara daholo izao ny fiarovan-tenany système rehetra. Misy amin'ny tenim-pirenena maro ny Linux Mint ary efa misy application fangalana logiciel tsara tarehy miaraka aminy, misy sary, description sy ny sisa.

Adiresy ofisialyhttp://www.linuxmint.com/

Ireo mahaliana ny olona