Puppy Derivatives

Mahafinaritra ahy ity karazana inux iray ity, Puppy Linux! Manana be dia be amin'izy itony aho, 50 isa raha kely indrindra. Ataoko inona daholo? hihi! Ny Puppy Linux tsy ohatry ny système d'exploitation (OS) rehetra fa maivana izy! Manomboka amin'ny 70Mo eo ka hatramin'ny 600Mo ny habeany. Fa izany 600 izany efa misy karazana birao be dia be sy manana collection_ana logiciel be dia be. Amin'ny Linux, tsy ohatry ny amin'ny Windows fa afaka manova birao ianao raha te hanova, raha misy maromaro ao. Tsy fond d'écran na thème tsotra no tiako tenenina amin'ny birao fa karazana application manova tanteraka iny "interface" rehetra. Ohatry ny hoe Windows 8 dia afaka ovaina Windows 7 sy ny sisa... Efa haiko tsianjery daholo ny karazana Puppy Linux fa ra mahaliana anao dia itondrako izay karazany tena tsara ianao. Ry zareo ireo afaka tsy installéna fa atao anaty CD na cle USB fotsiny dia alefa ohatr'ilay hi_installe système vaovao ireny. Live CD na Live USB no fiantsoana azy! Ny ankabezan'ny Linux moa afaka atao an'izay daholo fa ny Puppy fotsiny maivana sady tsy mila disque dure akory fa any anaty RAM no mandeha dia misosasosa tsara daholo izay atao. Raha maty ny Windows_nao na be virus loatra dia afaka ampiasainao tsara izy hirecupéréna dossier sy fichier.

Adiresy famoahana Puppy vaovaohttp://www.murga-linux.com/puppy/index.php?f=35

Ireo mahaliana ny olona